Blaogin'i Tara-masoandro

Fifanambaniana ifanaovan’ny samy malagasy eo amin’ny tsy fahaizana ny teny vahiny.

Miarahaba antsika rehetra malagasy namako! Sambany aho no mba manoratra toy izao eto amin’ity blaogy ity, ary tena faly aho fa afaka mizara sy maneho ny hevitro rehetra mikasika ny zavatra tsapako sy hitako eo amin’ny lafiny maro, mba iarahantsika rehetra mandinika sy mamakafaka na mitsako. Eny, mety afahantsika miara-mitombo amim-pahendrena ihany koa, saingy miankina amin’ny tsirairay ihany anefa izany, satria samy manana ny foto-pisainany avy. Araka ny efa hitantsika amin’ny lohateny dia efa mazava avy hatrany ny zavatra tiako ho voaboasana etoana, koa raha misy ihany koa fanehoan-kevitra tianao asongadina manoloana izany, dia aza misalasala mizara aorian’ny famakianao ny lahatsoratra tompoko. Misaotra indrindra!

Tsy vao izao na vao omaly no efa nanomboka nitsiry tao anaty foto-pisainan-dRamalagasy izany atao hoe fanesoana ny hafa izany raha vao mba misy fahadisoana kely ataony, na eo amin’ny lafiny inona io na inona. Avy ao anatin’izany indrindra no tiako hanasongadinana manokana ny resaka fanambaniana atao amin’ny tsy fahaizan’ireo olona sasany ny teny vahiny.
Efa voazanaka tokoa mantsy i Madagasikara fahiny, ary tsy misy hifanomezan-tsiny ny fihazonana ny tenim-pirenen’ireo nanjanaka mba hifaneraserana anaty tontolo maro ara-panjakana, toy ny sehatry ny fitondrana ambony, sehatry ny fampianarana sy ny fitantanana orin’asa sns.
Efa miroborobo be ihany koa amin’izao ny fifandraisana ataon’ny malagasy amin’ireo karazan’olona maneran-tany amin’ny alalan’ny tambazotra serasera…, noho izany tsy vitan’ny teny vahiny iray intsony no voatery ampiasaina fa mitombo maromaro ihany. Betsaka ireo mana-talenta ao anatin’izany, indrindra fa ny tanora. Ary tsy vitsy no mandeha mirona mankany amin’ny tontolon’ny teny mba hanatsarana ny hoavy eo amin’ny sehatry ny asa, ohatra: mba te ho lasa mpampianatra miteny vahiny, mpandika teny, mpitarika mpizaha tany…sns

Tena tsara tsy misy kianina izany fahaizana teny hafa ankoatra ny teny malagasy izany, saingy misy kosa ireo toetra mampalahelo asehon’ireo mahay izany amin’ireo olona tsy mahay.
Tsy an-kanavaka ireo sokajin’olona
hiaran’izany fanapepoana izany, miainga amin’ny farak’izay madinika indrindra ka hatramin’ny efa nahazohazo taona. Ohatra amin’izany fotsiny rehefa mampianatra ny madinika ny mpampianatra any amin’ny toeram-pianarana, ka raha vao mandiso teny frantsay ilay ankizy dia lazaina fa bado, na raha tsorina amin’ny fiteny andavan’andro dia “vendrana sy dondrona.” Toy izany ihany koa ny tanora sy ny lehibe, raha vao tsy mahay miteny dia lazain’ireo milaza ho mahay fa toy ny olona tsy nandia fianarana, esoana tahaka ny hoe: “Izany avy koa tsy hay, tsss!” Hany ka lasa manana fahamenarana izy ireo, ary mahatsapa ny tenany ho toy ny ambany mihitsy aza.
Indray andro rehefa niely tao anatin’ny tambazotra serasera fesiboky ny teny vahiny izay nosoratan’ny tovovavy iray, izay tsy ho tononiko eto. Niteraka resa-be ny tsy fahaizany nanoratra ilay teny vahiny nosoratany, ary saiky nentina nandotoana tanteraka ny momba azy manontolo mihitsy izany. Somary nahonena ny foko ihany ny nitazana fotsiny izany ka voatery nanohitra sy nilaza ny hevitro tamin’ireo fihetsiky ny olona aho, saingy izaho indray no nahazo ny tsiny. Hoy ny sasany hoe: “olona efa nahazo ny marim-pahaizana tao amin’ny kilasy famaranana koa ve dia mbola tsy ahafehy ny teny frantsay ihany?.”

Eny, mety hoe miombon-kevitra kely amin’izay ihany aho satria azo lazaina ho lojika raha tokony ahafehy ny teny frantsay ny mpianatra kilasim-pamaranana izany. Fa raha hiverenako kosa anefa ny resaka nosoratako tetsy ambony, mikasika ny fampianarana ny zaza madinika any an-dakilasy, dia hiaran’ny fanapepoana ny ankamaroan’izy ireny. Ka lasa tsy mahatoky tena intsony izy. Lasa feno tahotra ny vavany na hiteny vahiny ary, satria voateny marary izy. Ary entiny mandrapahalehibe azy izany. Ka rariny raha tsy ahavoafehy ilay teny vahiny mihitsy izy. Ohatra ihany moa izany, fa betsaka ireo antony mahatonga ny olona maro tsy ahay ny teny vahiny, izay tsy ho voatanisako eto avokoa fa izay voalazako ihany.
Ao ireo karazan’olona efa tsy natao hanana fahaizana manokana mikasika ny karazana tenim-pirenena hafa. Tahaka ilay namana teran-tany alem├ána iray, rehefa niresadresaka momba ny “teny” izahay dia toy izao no nambarany tamiko: “Tsy tany anaty fahaizana karazana teny vahiny mihitsy no talenta nomen’Andriamanitra ahy, ka dia tsy mahay miteny ankoatra ny tenin-drazako mahazatra ahy ihany aho, ary na ny fitenim-paritra eto amin’ny fireneko ary dia tsy mba haiko ihany koa, satria tsy ao anaty tontolon’ny teny mihitsy no misy ahy.”
Tsy mino aho hoe hanambany azy amin’izany ny mpiray tanin-drazana aminy, satria vitsy ny teny vahiny ampiasain’izy ireo ao amin’ny fireneny. Ny tenin-drazany ny azy no tena ataony mibahan-toerana eo amin’ny lafiny rehetra ary tena mampandroso azy fatratra.
Tsy te hampitaha ny firenentsika amin’ny hafa mihitsy aho, satria samy manana ny maha izy azy, saingy kosa mba te haka ohatra tsara aho entintsika misaintsaina ihany. Tsikaritro matetika mantsy fa rehefa miresaka amin’ny vahiny ny tena ka mandiso ny fiteniny, dia tsy ny miomehy mihitsy no ataony voalohany fa tonga dia ny manitsy amim-pahatsorana sy am-pitoniana avy hatrany, ary voarainao tsara ny lesona. Raha vonona ny hanatsara ilay fiteny ianao dia vonona ihany koa izy ny hanampy anao. Ny olona tena tsy mahay dia azo hiantsoana mpandika teny, fa tsy misy maneho fihetsika maneso aminy izany mihitsy. Aiza ho aiza amin’izany anefa isika malagasy? Moa tsy ny hanakora va no fihetsika voalohany vao misy tsy dia mahavoa ilay teny vahiny? Toa tahaka ny hoe: sarotiny alohan’ilay tena tompon’ny teny ve? Ary ny tena mampalahelo dia ny fifosana sy fanalam-baraka ilay olona no atao.

Ry malagasy namako, tsy voatery rehefa mahay teny vahiny ihany ny olona iray vao azo antsoina hoe: manam-pahaizana sy tena ambony, ary ny hafa izay tsy mahay dia lazaina fa maivan-doha toy atidoham-pirina sy maivana hoatrany volom-borona.
Misy ireo mba te hianatra ary tsy maintsy mandiso izy ireo, fa tsy misy nahay hatrany ankibon-dreniny ny olona tsirairay. Mila mianatra aloha vao mahay, ka aoka re tompoko mba atsahatra ity toe-tsaina tonga dia manamavo ny hafa ity e.
Raha anisany olona tena mahay ianao, dia ahitsio tsotra ilay mandiso, tsy ambaniana izy fa lazaina amim-pahendrena ny teny aloaky ny vava, mba tsy anafintohina azy, mba tsy andratra azy sy ahakivy azy. Tsarovy fa ny fanesoanao olona indray mandeha monja dia efa mety ahatonga ilay olona ho lavo tanteraka amin’ny tany. Mety hitondra voka-tsoa eo amin’ny fiainanao ve izany?
Ho an’ny olona tena tsy mahay indray, dia tsy tokony hanome tsiny azy ireny velively isika, satria raha araka ny ohatra efa nomeko dia azo lazaina ho tsy talentan’ilay olona mihitsy ny fahaizana teny vahiny. Fa kosa mety manana fahaizana hafa manokana izy, ohatra eo amin’ny taranja asa marika fotsiny ohatra. Sady hoy koa ny Ntaolo hoe: “Izay tsy mahay sobika, mahay fatam-bary.”
Hoy ihany koa i Albert Einstein, ilay manampahaizana fanta-daza maneran-tany iray manao hoe: “Ny olona rehetra dia manam-pahaizana avokoa, fa raha tsarainao amin’ny tsy fahaizany mianika hazo ny trondro, dia hino tanteraka ny sainy fa anisan’ireo bado izy.”

Ka hamintinako azy angamba dia tsotra ihany. Raha manana fahaizana manokana miteny vahiny ianao, aza manambany ny hafa mba te hivoatra, fa ahitsio tsotra amin’ny teny feno fitiavana izy raha te hampandroso azy ianao. Ary ny tsy mahay mihitsy, aza tsaraina amin’ny tsy fahaizany teny hafa izy fa mety mahay zavatra hafa tsy hainao, hajao amin’ny maha izy azy izy. Ho anao tena tsy mahay, aza menatra amin’ny maha izy anao, fa tsy bado velively ianao.

Hafatra kely ho an’ireo mpanabe:

Tsara be ny finiavanao mampianatra ny ankizy ahay hiteny vahiny, fa raha hitanao kosa anefa fa tena tsy mety mahay mihitsy izy, aza terena sy hanaovana teny tsy voahevitra fa mety hanimba azy tanteraka izany. Tariho moramora fotsiny izy, betsaka ireo fomba sy tetika, tsotra azo ampiasaina tsara…

This entry was posted on Zoma, Oktobra 11th, 2019 at 11:07 pm and is filed under Fanehoan-kevitra. You can follow any responses to this entry through the RSS 2.0 feed. You can leave a response, or trackback from your own site.

Leave a Reply »»